Akon'ny 08 Mey

Publié le par ambalamiraisaina

Nitarika ny fotoana tamin'izany Presidente FMT2S Ambalamiraisaina

Nitory ny Tenin'Andriamanitra dia Mpitandrina Rafaralahimanana jean Chrysostome.

"Miraisa saina ... dia omeko lalàna iray sy fo iray izy". Dia samy nahazo ny anjarany sy ny hitsiny avokoa ny vahoakan'Andriamanitra tonga nanatrika izany fotoana izany.

 

Ireo fandaharana tamin'izany

Fanolorana ny toniam-pivondronana Mpanazava:

- Tonia Yoly Ny Rina

 

Nanatanteraka ny fanolorana ny toniam-pivondronana tamin'izany ny Mpitandrina Jean Chrysostome, Ny Filohan'ny komitim-pivondronana Mr Laurent, Ny filoham-paritany Pompa. Mankasitraka ihany koa ny avy eo amin'ny Synodam-paritany nanaiky ny fanolorana ny toniam-pivondronana Mpanazava sy Tily.

Misaotra ireo nanohana sy nivavaka nahatanteraka ny fotoana rehetra tamin'izany.

 

Famaranana ny JOBILY faha-50 taona:

- Fanolorana ny Certificat hoan'ireo taranak'i ny Mpamorona, ny Filohan'ny Komitim-pivondronana, ny FMT2S ary ireo Komitim-pivondronana sy Mpanabe rehetra nanatontosa ny fankalazana ny JOBILY faha-50 taona

 

Taorian'ny fotoana dia nisy fiaraha-misakafo teo amin'ny Mpikambana rehetra sy ny vahoaka rehetra zany e!

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
R
Mankasitraka rse,hihatsara hatrany n'y fikambanana ary ,hihatsara hatrany ambalamiraisaina Anosivavaka.
Répondre