LASY LEHIBE NA GRAND CAMPS

Publié le par ambalamiraisaina

Indraim-bava:
Ny lasy dia fomba fanabeazana skoto ampiharana ny fanabeazana rehetra natao nandritry ny taom-panabeazana manontolo.
Ireo tokony hamonjy ny lasy lehibe:
Ireo beazina nahatontosa ny fanabezana nandritra ny taona, ireo mpiandraikitra nanome ny fanabeazana, ny tonia mandrindra ny fiainan-dasin’ny vondrona.

Ankoatr'izany dia misy ny fitsidihana hataon’ireo Filohan’ny fikambanana manampy sy manoro hevitra ary manitsy ny fizotry ny lasy mahakasika ny tekinikam-panabeazana, ao koa ny fitsidihana hataon’ny Komitim-pivondronana manampy amin’ny fiaim-piainana raha ilaina mba tsy hisy vato misakana ny fizotry ny fanabeazana, mamantatra ny atao hoe fiainan-dasy hahafahana manohana azy ireo.

Ny Ray aman-dreny koa dia afaka mitsidika ny lasy hoan'ny ankizy rehetra ao an-dasy tsy misy akanavaka.

Eo ihany koa ny lasy hoan'ireo mpikambana ao anaty ny Fikamabanan'ny Mpanazava sy Tily Tranainy ary Sakaiza FMT2S izay manana ny lasiny manokana.
Ny endriky ny lasy :

 Matetika dia miara-milasy ny Fivondronana ahitana ny Mpanazava sy ny Tily.
Samy nanana ny toerana hilasiany ny Vondrona Tily sy ny vondrona Mpanazava ary natao hifanalavitra izany toerana izany mba hampirindra ny fanabeazana.

Any anaty trano lay no atorian'ny rehetra ary koja na haitao vitan'ny beazina no ampiasaina sy iainanana. io ilay fanbeazana miaina amin'ny zava-misy kanefa ankehitriny dia efa misy ireo manomana fitaovana mialoha sy mahafantatra ny toerana ilasiana ka arakarak'izay no ampiharana ny vinam-panabeazana.
Ny tokony ho atao mialoha.

Ny fitsidihana ny toerana na pré-camps:

Tsara ho fantatra alohan'ny handehanana ilasy dia efa vita avokoa ny taratasy rehetra ilaina amin'ny fanomezan-dalana izay manaraka ny rafitra eo amin'ny Faritany misy ny fivondronana.

 

Fitsidihana ny toerana ilasiana mba hamaritana ny endriky ny fanabeazana, ahafantarana bebe kokoa ny toerana andehanana ilasy ka ananan'ny mpanabe rehetra fahalalana ahavitan'ny vinam-panabeazana sy ahatanteraka ny fandaharana rehetra.

Manome fahatokisana hoan'ny mpanabe ary manamora ny kajikajy rehetra ara-bola sy ara-tsakafo ka tsy ho sakana amin'ny fanatanterahana ny lasy.

ireo taratasy tokony ho atao:

- fahazoana alalana hilasy (faritany, fonkotany, fivondronana)

- ny lisitry ny mpilasy rehetra misy ny laharan'ny fafy

- ny taratasy avy amin'ny gendarmerie

- alalana avy amin'ny fiangonana

- ny fandaharam-panabeazana

- ny toerana tiana hotsidihana

- ....

Ireo lesoka rehefa milasy ny skoto:
Ny tsy fahampian'ny vola.
Ny tsy fahampian’ny isan’ny mpiandraikitra miara-mitondra lasy.
Ny tsy fisian’ny filoha mitsidika ny lasy.
Ny sakafo tsy zarizary any am-pilasiana.
 

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article