Lenta MP

Miofana ny Mpiandraikitra mba hanana fahalalana sy fahaizana tsara ireo fomba fanabeazana ao amin'ny Skotisma. Tsimaintsy averina foana izay fomba fanabeazana skotisma na dia efa manomboka mahazatra ny sofina aza, eny mety ankaleo mihintsiny kanefa tsimaintsy lazaina sao adino na lasa fahazarana fotsiny.

 

Eto ambany dia azo ambara ihany koa fa ny fototra ijoroan'ny skotisma dia ilana fandalinana sy famakafakana ary miainga amin'izany avokoa ny zavatra atao rehetra satria ankehitriny dia mila fanabeazana manintony sy mivoatra ny tontolon'ny skotisma, ambara fa tsy miala mihintsy amin'ilay fototra ijoroan'ny skotisma sy ireo tanjom-panabeazana amin'izany.

 

Aza adino ny manontany foana hoe skotisma zany na skotisma marina ve zany? Amin'izay fotoana izay ise dia tsy ho very mihintsy amin'ny fananganana ireo fandaharana ary ho mora amin'ise ny managana paik'ady vaovao entina hanasoavana indray ny tontolon'ny skotisma. Tadidy foana ilay hoe "HO OLOM-BANONA"  vanona hoan'ny tanindrazana, ny mpiara-belona, ny fiaraha-monina, amin'ny toerana rehetra tsy misy fotoana hoe eto no olom-banona na eto tsy olom-banona. Miainga avy amin'ise zany aloha ny olom-banona satria ise itaiza olona ho olom-banona.

 

Fanabeazana miavaka amin'ny fanabeazana rehetra ny skotisma. Ka ilàna MPiandraikitra mazoto, mahafoy fotoana, tia mandalina sy manentana, tia mihira sy milalao ihany koa. Tsindrina tsara fa ny SKOTISMA dia LALAO an! . ny ankabeazan'ny fomba fanatanterahana fandaharana dia amin'ny alalan'ny lalao mba tsy ilazako hoe 100% satria ao amin'io no ahafantaran'ny ise sy ahafahan ise mahafantatra ny beazin'ise (toetra).

 

Ry namana Mpiandraikitra satria ilaina tokoa ny lentan'ny Mpiandraikitra mba hiakatra hatrany.

Tsy toeram-boninahitra fa mitaky asa sy fahafoizan-tena r'ise!

 

 

SAVATRY Milamina.

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :